Dinika ho fanaingana ny toekarena (Fanjakana-Fanjakana). Dinika fanomanana mialoha ny Assises izay hatao ny 9 sy 11 Marsa 2026

𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 24 𝙁𝙚𝙗𝙧𝙤𝙖𝙧𝙮 2026 – 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘯𝘺 24,25 𝘧𝘦𝘣𝘳𝘰𝘢𝘳𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰.

✅ Dingana lehibe mialoha ny Assises momba ny dinika ifanaovan’ny mpisehatra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina, izay hatao ny 9 sy 11 Martsa 2026, ireo fihaonana ireo. Mazava ny tanjona: mifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra voarindra sy mahomby, hahafahana mamolavola drafitra ho fanaingana ny toekarena mifototra amin’ny fepetra laharam-pahamehana iraisana sy fanoloran-tena mifanandrify azo tanterahina.

✅ Nitarika ny fihaonana androany ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) ary ny EDBM.

✅ Nisongadina androany ny fitarihan’ireo manampahaizana manokana ny atrikasa. Niezaka nampitovy ny Fomba fijeriny ny ireo minisitera maro tonga nanatrika. Izany no natao dia ny mba iraisam-peo manoloana ny tolotra aroso amin’ireo sehatra tsy miankina.

✅ Mitohy rahampitso Alarobia 25 febroary 2026 ny dinika eo amin’ny samy sehatry tsy miankina.

Vous aimerez aussi...