Fifanarahana Samoa
𝗗𝗜𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡𝗬: 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥 / 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗔 𝗘𝗢𝗥𝗢𝗣𝗘𝗔𝗡𝗔

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺 (𝘔𝘈𝘌), 𝘧𝘢𝘩𝘢 14 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘝𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘌𝘰𝘳𝘰𝘱𝘦𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘚𝘢𝘮𝘰𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢 2044, 𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘱𝘢𝘪𝘬𝘢𝘥𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘪𝘵𝘰𝘯𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢.
Ny fifanarahana Samoa, izay misolo ny fifanarahana Cotonou, dia manamafy rafitra maharitra sy marin-toerana hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Firenena Afrikana, Karaiba ary Pasifika (OEACP) sy ny Vondrona Eoropeana. Ny tanjon’ity fifanarahana ity dia ny hametraka ny fampandrosoana maharitra sy ny fitomboana iombonana mba hanatsarana ny fari-piainana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena.
Ity dinika voalohany ity dia notronin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ho an’ny Fanavaozana. Nambarany fa “mifanaraka tanteraka amin’ny fandaharanasan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, izay natolotra omaly teny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny tanjon’ity fifanarahana fiaraha-miasa ity”. Notsindriany ihany koa fa “ny Vondrona Eoropeana no mpiara-miombon’antoka lehibe indrindra amin’ny famatsiam-bola eto Madagasikara”.
Ny Tale Jeneralin’ny Fampivelaran ny Sehatra tsy Miankina (DGDSP), DISAINE Lala, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), dia nanazava ireo hetsika efa natomboky ny minisitera ho fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
Efa nisy fanavaozana maro natao teo amin’ny lafiny lalàna, anisan’izany ny fanekena ny lalàna momba ny fampiasam-bola, ny fametrahana masoivoho manokana misahana ny fampiasam-bola (EDBM), ary ny rafitra andrim-panjakana sy ny rafitr’asa amin’ny alalan’ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, izay atao miaraka amin’ny Clim Invest. Ireo fanavaozana rehetra ireo dia porofon’ny fahavononan’ny Fanjakana hanolotra tontolo marin-toerana sy mahasarika kokoa ho an’ireo mpampiasa vola eto Madagasikara.
—————-
𝗔𝗖𝗖𝗢𝗥𝗗 𝗗𝗘 𝗦𝗔𝗠𝗢𝗔
𝟭𝗲𝗿 𝗗𝗜𝗔𝗟𝗢𝗚𝗨𝗘 : 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥 / 𝗨𝗡𝗜𝗢𝗡 𝗘𝗨𝗥𝗢𝗣𝗘𝗘𝗡𝗡𝗘
𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺 (𝘔𝘈𝘌), 𝘭𝘦 14 𝘢𝘷𝘳𝘪𝘭 2026 – 𝘚’𝘦́𝘵𝘢𝘭𝘢𝘯𝘵 𝘫𝘶𝘴𝘲𝘶’𝘦𝘯 2044 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘶𝘯𝘦 𝘴𝘵𝘳𝘢𝘵𝘦́𝘨𝘪𝘦 𝘥𝘦 𝘴𝘵𝘢𝘣𝘪𝘭𝘪𝘵𝘦́ 𝘦́𝘤𝘰𝘯𝘰𝘮𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘢𝘶𝘹 𝘣𝘦́𝘯𝘦́𝘧𝘪𝘤𝘦𝘴 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘱𝘰𝘱𝘶𝘭𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯, 𝘭𝘦 1𝘦𝘳 𝘥𝘪𝘢𝘭𝘰𝘨𝘶𝘦 𝘥𝘦 𝘗𝘢𝘳𝘵𝘦𝘯𝘢𝘳𝘪𝘢𝘵 𝘢𝘷𝘦𝘤 𝘭’𝘜𝘯𝘪𝘰𝘯 𝘌𝘶𝘳𝘰𝘱𝘦́𝘦𝘯𝘯𝘦 𝘥𝘢𝘯𝘴 𝘭𝘦 𝘤𝘢𝘥𝘳𝘦 𝘥𝘦 𝘭’𝘈𝘤𝘤𝘰𝘳𝘥 𝘥𝘦 𝘚𝘢𝘮𝘰𝘢 𝘦𝘴𝘵 𝘭𝘢𝘯𝘤𝘦́ 𝘢𝘶𝘫𝘰𝘶𝘳𝘥’𝘩𝘶𝘪.
L’Accord de Samoa, qui remplace l’Accord de Cotonou, favorise un cadre stable et durable pour consolider des relations entre les pays membres de l’Organisation des États d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique (OEACP) et l’Union Européenne. Les objectifs de l’Accord visent entre autres à mettre en place un développement durable et une croissance inclusive pour une amélioration des conditions de vie et un renforcement de la coopération économique.
Ce 1er dialogue a été marqué par la présence du Premier Ministre, Chef du Gouvernement de la Refondation et des membres du Gouvernement. Le Premier Ministre a précisé que les objectifs de cet Accord de partenariat coïncident parfaitement au programme de mise en œuvre de la Politique Générale de l’État présenté hier à l’Assemblée Nationale. Il a également rappelé que l’Union Européenne demeure le plus grand investisseur à Madagascar.
La Directrice Générale du Développement du Secteur Privé (DGDSP), DISAINE Lala, ayant représentée le Ministre de l’Industrialisation et du Développement du Secteur Privé (MIDSP) a précisé les actions déjà entamées par le Ministère en termes d’amélioration du climat des affaires et des investissements à Madagascar. Plusieurs réformes ont été entreprises concernant le cadre juridique dont l’adoption de la loi sur les investissements , la mise en place d’une agence spéciale à l’investissement (EDBM) et le cadre institutionnel et opérationnel à travers les dialogues public-privé en collaboration avec Clim Invest. Toutes ces réformes témoignent de l’engagement de l’État à offrir un cadre plus stable et attractif pour les investisseurs à Madagascar.
