Madagasikara – Sina / Hatao mafy orina ny fiaraha-miasa ara-taozava-baventy

𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖 18 𝙈𝙚𝙮 2026 – 𝘕𝘰𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘮-𝘣𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘑𝘐 𝘗𝘐𝘕𝘎. 𝘍𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘢𝘰𝘻𝘢𝘷𝘢-𝘣𝘢𝘷𝘦𝘯𝘵𝘺.

✅Niompana tamin’ny ahafahana manangana ozinina sy orinasa ny dinika indrindra amin’ny fanavaozana ny sehatra indostrialy eto Madagasikara.

Nivoitra nandritra ny fihaonana fa vonona hanangana orinasa sy ozinina maro eto Madagasikara i Sina fa kosa mila antoka ny amin’ny fiarovana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana.

📌Nambaran’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny Minisitera indrindra eo amin’ny fampiroboroboana ny taozava-baventy. Efa misy ny ezaka natao ahafahana manatratra ny tanjona toy ny fanafainganana ireo dingana ara-panjakana amin’ny fananganana orinasa eto Madagasikara, ny fiantohana sy fiarovana ireo mpandraharaha sy mampiasa vola ihany koa.

✅Ankoatra izay dia niresaka ny orinasa sy famokarana siramamy ao Ambilobe ny roa tonta. Voamarika tamin’izany ny hijerena fiaraha-miasa maharitra sy hanatsarana ny fanodinana ny orinasa.

✅Nampiseho fahavononana ny roa tonta amin’ny fiaraha-miasa mivaingana sy maharitra.

Ankoatra izay, nanasa tamin’ny fomba ofisialy ny delegasionan’ny MIDSP ny Masoivoho mba ho any Sina ny volana aogositra ho avy izao, hanao fitsidihana ozinina sy orinasa ara-taozava-baventy. Noho izany, vonona ny hizara ny fahaiza-manao ananany ry zareo Sinoa.

Vous aimerez aussi...