Tratry ny fetin’ny Pentekosta !

Ao anatin’izao andro lehibe ankalazana ny Pentekosta izao, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP) dia mirary fety sambatra sy feno fahasoavana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, indrindra ho an’ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena rehetra manerana ny Nosy.
Ny Pentekosta dia mariky ny fofonaina vaovao. Kiry sy hery vaovao anie no hoentin’izao fety izao ho antsika tsirairay avy, mba hampiombonana sy hampandrosoana hatrany ny indostria ary hampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Miaraka mientana ho fampandrosoana ny toekarena.
