Fanadiovana faobe

𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗗𝗜𝗢 𝗦𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔 𝗔𝗥𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢 𝗡𝗢 𝗧𝗔𝗡𝗝𝗢𝗡𝗔.

📍𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 20 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026- 𝙉𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙙𝙞𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙠𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙞𝙧𝙖𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙧𝙮 𝙩𝙤𝙢𝙗𝙤𝙩𝙨𝙤𝙖 𝙞𝙤𝙢𝙗𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖.

✅ Niara-nientana sy naneho firaisankina ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina androany maraina, nanadio ny toeram-piasana sy ny manodidina tety Anosy izay notarihan’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Nambarany fa tsy fombafomba na mandalo fotsiny izao fanadiovana tanterahina izao fa tena atao fiainana mihitsy. Nanentana ny mpiara-miasa rehetra ihany koa ny tenany mba ho fitaratra manomboka eto amin’ny toeram-piasana sy ny manodidina ary ny fiaraha-monina hatrany amin’ny fokontany misy ny tsirairay amin’izao hetsika fanadiovana izao. Rehefa tsy mandoto ihany koa dia efa manadio koa hentanina ny rehetra tsy hanarinary fako eny rehetra eny satria tanàna madio ihany koa no antoky ny fahasalaman’ny rehetra hoy hatrany Izy.

Madagasikara madio no tanjona.

Vous aimerez aussi...