Tratry ny Fetin’ny Ray

Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina dia mirary fety sambatra ho an’ny Ray rehetra manerana an’i Madagasikara.
Ianareo no andry iankinan’ny fianakaviana sy hery lehibe mampihodina ny fampandrosoana ny firenena.
Mirary fahombiazana sy fahasalamana feno ho anareo hatrany amin’ny adidy sy ny asa masina sahaninareo.
