Fananganan-tsaina

𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆, 06 𝗝𝗼𝗹𝗮𝘆 2026 – 𝘛𝘢𝘩𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘪𝘴𝘢𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘭𝘢𝘵𝘴𝘪𝘯𝘢𝘪𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
Nandritra ny lahateniny dia naneho ny fahafaliam-pony ny Minisitra noho ireo zava-bita nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2026. Nomarihiny fa maro ireo asa vita sy ezaka nahitam-bokatra.
Notsindriany fa manana andraikitra lehibe ny MIDSP amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena, satria ny sehatra tsy miankina no mamorona asa, mampiodina ny toekarena ary mandoa ny hetra sy ny haban-tseranana izay mamatsy ny kitapom-bolam-panjakana. Noho izany dia tokony ho mpanohana sy mpanamora ny asan’ny sehatra tsy miankina ny Minisitera.
Nohamafisin’ny Minisitra ihany koa ny maha-zava-dehibe ireo orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny Ministera, izay tena harem-pirenena. Reharehan’i Madagasikara ny fananana ireo orinasam-panjakana anisany lehibe indrindra ireo na eto an-toerana na eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana.
Teo am-pamaranana dia nitondra teny firarian-tsoa ho an’ny mpiara-miasa rehetra ny Minisitra mba hahomby tsara eo am-panatanterahana ny andraikitra lehibe sahanin’ny tsirairay ho fampandrosoana ny Firenena.
