Andro iraisam-pirenena natokona ho an’ny kaoperativa

𝙉𝙞𝙛𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙖𝙣𝙮 05 𝙟𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 𝙩𝙚𝙩𝙤 𝙎𝙖𝙢𝙗𝙖𝙫𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙠𝙖𝙡𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙄𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙣𝙖𝙩𝙤𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙆𝙖𝙤𝙥𝙚𝙧𝙖𝙩𝙞𝙫𝙖.

✅Nandritra izany dia nisitraka fifanakalozana traikefa, fiofanana ary fanohanana ara-teknika ireo kaoperativa mpandray anjara, notarihin’ny ekipa avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) ato amin’ny MIDSP, ho fanamafisana ny kolontsaina fandraharaharana sy ny fampandrosoana maharitra.

✅Tao anatin’ny hetsika fankalazana hatrany dia nisy ny fifaninanana ho an’izay kaoperativa manana trano heva sy vokatra tsara indrindra, ary izay kaoperativa mendrika indrindra, ka notoloran’ny Minisitera mari-pankasitrahana ireo kaoperativa nandresy tamin’izany. Notolorana an’ireo kaoperativa voakasika izany ihany koa ireo certificat d’enregistrement izay navaozina hifanaraka amin’ilay lalàna vaovao mikasika ny orinasa kaoperativa.

✅Ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana sy ny tale iraisam-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina Sofia sy SAVA dia niara-nientana taorian’izay nanao fitsidihana ny saha fambolena lavanila an’ny Kaoperativa ZOTO teny Antsaborara, Kaominina Farahalana, izay mamokatra lavanila 2 ka hatramin’ny 3 taonina isan-taona.

Vous aimerez aussi...