Fananganana ny 𝗙𝗡𝗗𝗜 𝗦.𝗔. : Dingana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny Indostria Malagasy

𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢 22 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 2026 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘰𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘝𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘮𝘣𝘦 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘰𝘯𝘥𝘴 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥𝘦 𝘋𝘦́𝘷𝘦𝘭𝘰𝘱𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭 ( 𝘍𝘕𝘋𝘐 𝘚.𝘈.), 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.

✅ Nohamafisin’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina nandritra ny lahateniny fa « Ny fananganana ny FNDI S.A. dia tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny Lalàna laharana faha 2017-047 tamin’ny 29 janoary 2018, indrindra ireo andininy faha-46 ka hatramin’ny faha-49, izay mamaritra ny fametrahana rafitra manokana ho fanohanana ny sehatry ny indostria ».

📌 Ny orinasa dia hapetraka eo ambany fiahiana ara-teknikan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina ( MIDSP ), ary eo ambany fiahiana ara-bolan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

✅ Ny renivola fanombohana dia iarahan’ireto mpandray anjara ireto mitondra:

Ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneraly momba ny Tahirim-bolam-panjakana: 40 %;

-Ny Conseil National de l’Industrialisation de Madagascar – CNIM: 20 %;

-Ny SONAPAR: 35 %;

-Ny Economic Development Board of Madagascar – EDBM: 5 %.

📌 Ny FNDI S.A. dia natao hanohana ireo orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany, mba hahafahan’izy ireo mampivelatra ny fanodinana sy ny famokarana eto an-toerana, mamorona asa ara-dalàna ary mampitombo ny tombam-bidin’ny vokatra malagasy.

✅ Anisan’ireo fandaharan’asa afaka misitraka ny fanohanan’ny FNDI S.A. ny One District, One Factory – ODOF, izay mikendry ny hanangana sy hampivelatra toby fanodinam-bokatra eny anivon’ny distrika, hanamafisana ny indostria eny ifotony ary hampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.

📌 Ny fananganana ny FNDI S.A. dia dingana lehibe amin’ny fanatanterahana ny vina hahatratra 30 % ny anjaran’ny indostria ao anatin’ny PIB amin’ny taona 2040, miaraka amin’ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ny famoronana asa maro kokoa.

Vous aimerez aussi...