Lanonam-panokanana ny trano vaovaon’ny ANMCC (๐๐๐๐ผ๐ฟ๐ถ๐๐ฒฬ ๐ก๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป๐ฎ๐น๐ฒ ๐๐ต๐ฎ๐ฟ๐ด๐ฒฬ๐ฒ ๐ฑ๐ฒ๐ ๐ ๐ฒ๐๐๐ฟ๐ฒ๐ ๐๐ผ๐ฟ๐ฟ๐ฒ๐ฐ๐๐ถ๐๐ฒ๐ ๐๐ผ๐บ๐บ๐ฒ๐ฟ๐ฐ๐ถ๐ฎ๐น๐ฒ๐) na fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanintsiana ara-barotra

๐๐ฏ๐ฌ๐ข๐ณ๐ข๐ฐ๐ฃ๐ข๐ต๐ฐ, 30 ๐๐ฐ๐ญ๐ข๐บ 2026 โ ๐๐ฐ๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฉ๐ช๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ญ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฏ๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ต๐ฐ๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ณ๐ข๐ฏ๐ฐ ๐ท๐ข๐ฐ๐ท๐ข๐ฐ๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐๐๐๐, ๐ณ๐ข๐ง๐ช-๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ฃ๐ข๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ฉ๐ช๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ข, ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ฌ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ง๐ฆ๐ฑ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข ๐ง๐ข๐ฏ๐ช๐ต๐ด๐ช๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ณ๐ข-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฉ๐ช๐ข๐ณ๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข-๐ฑ๐ข๐ฎ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข.
Notronin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny lanonana, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana. Anisan’ireo tonga nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Praiminisitra fa tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) ny fanamafisana ny rafitra miaro ny varotra sy ny famokarana eto an-toerana. Nambarany fa ny tanjona dia ny hiantohana tsena madio sy ara-drariny, hiarovana ny mpamokatra Malagasy, ary hanomezana ny mpanjifa vokatra manaraka ny fenitra takiana sy mora vidy.
Notsindriany ihany koa fa tsy misaraka ny varotra sy ny indostria, fa mifameno sy mifampiankina. Ny fepetra fanitsiana ara-barotra dia manampy amin’ny fiarovana ny indostria nasionaly amin’ny fifaninanana tsy ara-drariny, ka ahafahan’ireo orinasa eto an-toerana mamokatra sy mifaninana amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena. Ao anatin’izany indrindra no ananan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana sy fampiroboroboana ny sehatra indostrialy, miaraka amin’ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana voakasika.
Ny ANMCC dia miandraikitra ny fanadihadiana sy ny fametrahana fepetra fanitsiana ara-barotra rehefa misy fitobahan’ny entana hafarana, fanafarana amin’ny vidiny tsy ara-drariny, na endrika fifaninanana manimba izay mety hiteraka fahavoazana ho an’ny orinasa sy ny seha-pamokarana eto Madagasikara.
Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia porofon’ny fahavononan’ny Governemanta hanamafy ny fiaraha-miasan’ireo sampandraharaham-panjakana, hampifandray akaiky ny politika ara-barotra sy ara-indostria, ary hametraka tontolo ahafahan’ny indostria nasionaly miroborobo, mamorona asa, mampitombo ny harin-karena ary mampihena tsikelikely ny fiankinan-doha amin’ny vokatra avy any ivelany.
