๐ฃ๐ขฬ๐๐ ๐ฆ๐ง๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ฆ๐๐๐ฅ (๐ฃ๐ฆ๐ )

๐ ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฒ๐ฟ๐ถ๐ป’๐ป๐ ๐ญ๐ฑ๐ฌ ๐ป๐ผ ๐ป๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ ๐ณ๐ถ๐ผ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐บ๐ผ๐บ๐ฏ๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ผ๐ป๐๐ผ๐น๐ผ๐ป’๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ ๐ป๐ ๐๐ผ๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ-๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ.
๐๐ฏ๐ฐ๐ด๐บ, 29 ๐๐ฐ๐ญ๐ข๐บ 2026 โ ๐ก๐ข๐ท๐ข-๐ฅ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฅ๐ช๐ฆ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ญ๐ข ๐ฆ๐ฏ๐บ ๐ข๐ฏ-๐ต๐ด๐ฆ๐ฌ๐ฐ๐ญ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ข๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ต๐ข๐ฏ๐ฐ๐ณ๐ข, ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ป๐บ ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฉ๐ช๐ข๐ต๐ณ๐ช๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฏ๐ต๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ข๐ด๐ข ๐ด๐บ ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ข๐ด๐ข ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ช๐ป๐ข๐บ.
Mpianatra maherin’ny 150 avy amin’ireo oniversite sy ivon-toeram-pampianarana ambony miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana toy ny ESPA, UCM, ACEEM, ISCAM, ESTII ary INFP, no nisitraka fiofanana nandritra ny telo andro momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny toetra tokony hananan’ny mpandraharaha.
Anisan’ireo nizara traikefa sy nampiofana azy ireo ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE).
Nandritra ny lanonana famaranana dia nankasitraka ny fahavononan’ireo mpianatra hanovo fahalalana sy hiomana sahady amin’ny fiainana arak’asa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Nambarany fa ny tanora no hery manosika ny fampandrosoana ny firenena, ka ilaina ny fanohanana sy fanomezana traikefa sahaza azy ireo. Nohamafisiny ihany koa fa ny Pรดle Stage Madagascar (PSM) dia sehatra iray manamora ny fampifandraisana ny tontolon’ny fianarana sy ny tontolon’ny asa, sady manampy ireo tanora hiomana amin’ny fiainana matihanina.
Nofaranana tamin’ny fanolorana ny taratasy fanamarinana ho an’ireo mpiofana ny hetsika, izay notanterahin’ireo mpikarakara, dia ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFOP) ary ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM).
