Madagasikara – Japana | Manomboka amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa PAPRIZ 4

📍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 31 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘩𝘢𝘭𝘦𝘰𝘷𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰 (𝘔𝘐𝘈𝘚𝘈) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘯𝘪𝘢 𝘯𝘺 « 𝘙𝘦𝘤𝘰𝘳𝘥 𝘰𝘧 𝘋𝘪𝘴𝘤𝘶𝘴𝘴𝘪𝘰𝘯 » 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘈𝘗𝘙𝘐𝘡 4, 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘑𝘢𝘱𝘰𝘯𝘦𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 (𝘑𝘐𝘊𝘈). 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘈𝘗𝘙𝘐𝘡 4 𝘪𝘵𝘺 𝘥𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘪𝘵𝘺.

📌Laharam-pahamehan’ny Fitondrana Fanavaozana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ary voarakitra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), ity tetikasa ity. Ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina sy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), RAMINDO Gaëtan no nanao sonia ny fifanarahana tamin’ny anaran’ny Governemanta Malagasy, niaraka tamin’ny solotena maharitry ny JICA eto Madagasikara, ODAWARA Kosuke.

✅Hifantoka amin’ny fanavaozana sy fampivoarana ny rojom-pihariana vary, indrindra any Alaotra-Mangoro sy Boeny, ny PAPRIZ 4. Anisan’izany ny fanatsarana ny vokatra sy ny kalitao, ny fampiasana teknika sy milina maoderina, ary ny fanamafisana ny fahaizan’ireo kaoperativa sy mpisehatra.

✅Hampiroborobo ihany koa ny famoronana sanda miampy eto an-toerana sy ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra rehetra, miaraka amin’ny fanofanana ireo teknisianina, mpamokatra ary mpandraharaha, ho fampandrosoana maharitra ny sehatry ny vary.

Vous aimerez aussi...