Fanamarihana ny 14 Oktobra | Fetin’ny Fahafahana

📍 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 1 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – « 𝘍𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢: 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘭𝘦𝘰𝘷𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 » 𝘯𝘰 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘦𝘷𝘢 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 14 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘚𝘰𝘧𝘪𝘢 𝘯𝘺 13 𝘴𝘺 14 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘷𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘰. 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘮𝘪𝘵𝘺 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘨𝘢𝘻𝘦𝘵𝘺, 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺, 𝘵𝘢𝘰 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘫𝘰𝘯’𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺.
👉 Mifototra amin’ny lanja ara-tantaran’ny 14 Oktobra 1958, nijoroan’ny Repoblika Malagasy, sy ny 14 Oktobra 2025, nanombohan’ny dingana vaovao teo amin’ny fiainam-pirenena ao anatin’ny Fanavaozana, no fototra ijoroan’ny « Fetin’ny Fahafahana ».
📌Ny Faritra Sofia, indrindra Antsohihy, Anahidrano ary Anjiamangirana, toerana mifandray amin’ny tantaran’ny Filoha Philibert Tsiranana, no handray ireo hetsika lehibe. Anisan’ny fandaharam-potoana ny fitokanana fotodrafitrasa, ny fitsidihana toerana manan-tantara, ny fampirantiana ara-kolontsaina ary ny matso lehibe ao Antsohihy.
✅ Tanjona amin’izany ny hampita ny lova ara-tantara amin’ny taranaka, hanamafy ny firaisankinam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, ary hampifandray ny tantara sy ny Fanavaozana amin’ny vina ho amin’ny fahaleovantena sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.
