🇲🇬 Fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny indostria : ny tanora no ankehitrinin’i Madagasikara

WorldInvestForum

📍 𝘋𝘰𝘩𝘢, 𝘘𝘢𝘵𝘢𝘳 | 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘵𝘢𝘣𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘣𝘰𝘳𝘪𝘣𝘰𝘳𝘺 𝘯𝘢𝘵𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘞𝘰𝘳𝘭𝘥 𝘐𝘯𝘷𝘦𝘴𝘵𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘍𝘰𝘳𝘶𝘮 (𝘞𝘐𝘍) 2026, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

👉Nandritra ny lahateniny, dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraharahana amin’ny fanovana ara-indostria, ny famoronana asa mendrika ary ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra Andriamatoa Minisitra.

📌Notsindriany manokana ny fanamafisana ny fahaiza-mamorona sy ny haivao eny amin’ny oniversite, ny fanohanana ireo orinasa vao misondrotra (startups), ary ny fanatsarana ny fahafahan’ny tanora misitraka famatsiam-bola sy tsena.

👉Nohamafisiny ihany koa fa ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana, ny oniversite, ny mpampiasa vola ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana mba hanovana ny hevitra vaovao ho orinasa matanjaka sy mifaninana.

✅Ny tanjona dia ny hanova ny hevitra ho orinasa, ny orinasa ho indostria, ary ny haivao ho fampandrosoana maharitra.

#MIDSP#WIF2026#Fandraharahana#Indostria#Tanora#Madagasikara

Vous aimerez aussi...