Ady amin’ny kolikoly : fanambaram- pananana an-davitra amin’ny alalan’ny sehatra » i-fanagna «

📍𝘊𝘢𝘳𝘭𝘵𝘰𝘯 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 30 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘉𝘐𝘈𝘕𝘊𝘖 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 « 𝘪-𝘧𝘢𝘯𝘢𝘨𝘯𝘢 », 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘣𝘢𝘰𝘩𝘢𝘬𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘣𝘰𝘯𝘺. 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘨𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘥𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 𝘯𝘺 « 𝘪-𝘧𝘢𝘯𝘢𝘨𝘯𝘢 », 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘢𝘴𝘰 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘴𝘢𝘻𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘪𝘬𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘭𝘢̀𝘯𝘢.
✅Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny fametrahana ity sehatra ity. Hentitra ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, momba ny fanasaziana ireo fandikan-dalàna mifandraika amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Nohamafisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, fa tsy ampy intsony ny finiavana fa ilaina ny fandraisana andraikitra mivaingana. Tsy tokony hiantsoana famatsiam-bola ny hetsika iadiana amin’ny kolikoly fa vitan’ny Fanjakana izany hoy hatrany izy.
✅Anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta nanatrika izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
📌Marihina fa efa manana ny Politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly (PILCC) avokoa ireo Minisitera. Ankoatra izany, tafiditra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2027 ny tetibola natokana ho an’ny ady amin’ny kolikoly, izay mitentina manodidina ny 0,3%-n’ny tetibolam-panjakana.
𝗜𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆.
