SIAE 2026 : Fankalazana ny andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria eto Afrika (JIA) sy ny herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (GEW)

📍𝘈𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰, 30 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘠𝘈𝘚 𝘎𝘢𝘭𝘢𝘹𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘭𝘢𝘯-𝘥𝘳𝘦𝘴𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘨𝘢𝘻𝘦𝘵𝘺 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘥𝘪𝘮𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘳𝘯𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥𝘦𝘴 𝘈𝘧𝘧𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 𝘦𝘵 𝘥𝘦 𝘭’𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘪𝘢𝘵 (𝘚𝘐𝘈𝘌), 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 19 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 22 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰.

✅ Karakaraina ao anatin’ny fankalazana ny Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria eto Afrika (JIA) sy ny Herinandro Maneran-tany ho an’ny Fandraharahana (GEW) ny SIAE 2026, izay mitondra ny lohahevitra hoe « Forum des Partenaires Internationaux ».

📌 Hifantoka amin’ny fampifandraisana ireo orinasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ity andiany ity, mba hanamorana ny fahazoana famatsiam-bola sy fanohanana ho an’ny fampandrosoana ny indostria sy ny fandraharahana.

✅ Tranoheva miisa 200 sy mpitsidika 12 000 no andrasana mandritra ny efatra andro. Hisy ihany koa ny fampirantiana sy fivarotana ireo vokatra Vita Malagasy, ny fihaonana ara-barotra ary ny fandaharanasa manokana ho an’ny tanora.

📌 Nisolotena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny valan-dresaka moa Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MIDSP, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry. Ny MIDSP, miaraka amin’ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) sy ny RED Company, no mpiara-mikarakara ity hetsika ity.

#SIAE
#MIDSP

Vous aimerez aussi...