SIAE 2026 : Ny tanora, andry lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena

📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 19 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘴𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘪𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘰𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘴𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘳𝘯𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥𝘦𝘴 𝘈𝘧𝘧𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 𝘦𝘵 𝘥𝘦 𝘭’𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘪𝘢𝘵 (𝘚𝘐𝘈𝘌) 2026.

📌Tanjona ny hampitomboana ny anjara birikin’ny indostria eo amin’ny toekarem-pirenena ho 30% hatramin’ny taona 2040, sady hamoronana asa mendrika ho an’ny tanora sy hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny fiofanana sy ny fampivelarana traikefa.

📌Notsindrian’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, fa laharam-pahamehana ny fanodinana ireo akora fototra eto an-toerana mba hampitomboana ny sanda fanampiny amin’ny vokatra Malagasy.

✅Misy ny fitaovana efa napetraky ny MIDSP entina hanatanterahana izany, toy ny PCP, FNDI, Eager, Unipod ary Pôle Stage Madagascar. Manamafy izany ezaka izany ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Vous aimerez aussi...