Programa ASANAI : Lanonana fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ny andiany Voalohany.

📍𝙄𝙫𝙖𝙣𝙙𝙧𝙮, 24 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 — 𝙉𝙖𝙣𝙤𝙢𝙚 𝙫𝙤𝙣𝙞𝙣𝙖𝙝𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙣𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙡𝙤𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙧𝙞𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙠𝙖𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙡𝙚 𝙅𝙚𝙣𝙚𝙧𝙖𝙡𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙏𝙨𝙮 𝙈𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 𝙈𝘼𝙉𝘼𝙉𝘼𝙍𝙄𝙑𝙊 𝘼𝙧𝙡𝙞𝙨𝙚 𝙒𝙞𝙣𝙣𝙞𝙚.

✅ Dingana lehibe iray no vitan’ny Programa ASANAI, hetsika iarahan’ny Governemanta Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena manohana, tamin’ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo mpisitraka tombontsoa ao anatin’ny andiany voalohany. Manoloana ny fanamby eo amin’ny fahafahan’ny tanora mahita asa eto Madagasikara, dia natsangana ity programa ity mba hanofanana olona afaka miasa avy hatrany eo amin’ny sehatry ny BPO ( Business Process Outsourcing), izay sehatra ahafahana mamorona asa betsaka ho an’ny firenena.

📌 Tamin’ireo fangatahana mihoatra ny 4 600 voaray, tanora 335 no tafiditra tao anatin’ny programa, ka 236 no nandalo fiofanana lalina momba ny fahaiza-manao teknika, fiteny ary fihetsika arak’asa. Taorian’ity fiofanana hentitra ity, tanora 138 no nahazo marim-pankasitrahana ofisialy nohamarinin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’asa. Vokatra tena nahafinaritra ny hoe tanora 136 no efa tafiditra amin’ny asa, ka 58 amin’izy ireo no manana fifanarahana maharitra (CDI) ao anatin’ireo orinasa BPO.

✅ Anisan’ny manana anjara toerana lehibe eto ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, amin’ny fanohanana ny fivoaran’ny fandraharahana voarafitra, ny fanamafisana ny fifaninanana eo amin’ireo orinasa eto an-toerana, ary ny famoronana tontolo iainana ahafahan’ny sehatra tsy miankina mivelatra sy mandray anjara amin’ny fampidirana rehetra.

📌 Maneho mazava ny programa ASANAI ity fiaraha-mientana misy eo amin’ny fiofanana mifantoka amin’ny filàn’ny tsena ity.

Noho izao fahombiazana izao, dia kasaina amin’ny volana Jolay 2026 ny andiany faharoa, ary efa misy taratasy 3 499 eo am-pikarakarana, manamafy ny hery sy ny maha zava-dehibe ny programa ho an’ny tanora malagasy.

Vous aimerez aussi...