Fampandrosoana ny orinasam-panjakana SECREN (Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales)

NANDRAY NY TOERANY TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TALE JENERALY VAOVAO
𝐴𝑛𝑡𝑠𝑖𝑟𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎, 10 𝐽𝑜𝑙𝑎𝑦 2026 – 𝑁𝑜𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎ℎ𝑖𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑜 𝐴𝑛𝑡𝑠𝑖𝑟𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑙𝑎𝑛𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑜𝑓𝑖𝑠𝑖𝑎𝑙𝑦 𝑎𝑛’𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎𝑡𝑜𝑎 𝐹𝐸𝐿𝐼𝐶𝐼𝐸𝑁 𝑀𝑖𝑙𝑖𝑠𝑜𝑛 ℎ𝑜 𝑇𝑎𝑙𝑒 𝐽𝑒𝑛𝑒𝑟𝑎𝑙𝑦 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑜𝑟𝑖𝑛𝑎𝑠𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑆𝐸𝐶𝑅𝐸𝑁 (𝑆𝑜𝑐𝑖𝑒́𝑡𝑒́ 𝑑’𝐸́𝑡𝑢𝑑𝑒𝑠, 𝑑𝑒 𝐶𝑜𝑛𝑠𝑡𝑟𝑢𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑒𝑡 𝑑𝑒 𝑅𝑒́𝑝𝑎𝑟𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑁𝑎𝑣𝑎𝑙𝑒𝑠).
Nanatrika izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), Andriamatoa TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, niaraka tamin’ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA), ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana (CA), ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary manam-pahefana ambony eto an-toerana, notarihin’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena avy amin’ny Faritanin’Antsiranana.
Nandritra ny lahateny nifandimbiasana dia samy nanamafy ny fankasitrahany ny Fitondram-panjakana ireo tompon’andraikitra noho ny fanohanana omena ny SECREN, indrindra amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola sy ny fanendrena Tale Jeneraly vaovao. Ireo rehetra ireo dia heverina ho dingana lehibe hanarenana sy hamelomana indray ity orinasam-panjakana stratejika eo amin’ny sehatry ny fanamboarana sy fanarenana sambo ity.
Naneho ny fahavononany hitondra fanavaozana sy hampandroso ny orinasa kosa ny Tale Jeneraly vaovao. Nanentana ireo mpiara-miasa aminy izy mba hiray hina, hifantoka amin’ny tanjona iraisana ary hiasa amim-pahavononana sy finiavana ho fanarenana sy fampandrosoana ny SECREN.
Nandritra izany ihany koa no nanehoan’ny tompon’andraikitra sy ny mpiasa ny fankasitrahany manokana ny MIDSP noho ny fanohanana sy ny fandraisana andraikitra tsy tapaka, izay maneho mazava fa laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fanarenana sy ny fampandrosoana ny SECREN.
