Fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny Faritra Anosy : Mitohy ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehetra tsy miakina (DPP)

𝑻𝒐̂𝒍𝒂𝒈𝒏𝒂𝒓𝒐 – 𝑵𝒐𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑨𝒍𝒂𝒓𝒐𝒃𝒊𝒂 08 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 𝒍𝒂𝒔𝒂 𝒕𝒆𝒐 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒊𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒎𝒊𝒕𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒅𝒊𝒏𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒇𝒊-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂 (𝑫𝑷𝑷). 𝑻𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒆𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒗𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑹𝒆𝒔𝒕𝒂𝒖𝒓𝒂𝒏𝒕 𝑪𝒉𝒆𝒛 𝑹𝒐𝒔𝒊𝒊 𝑰𝒂𝒗𝒐𝒍𝒐𝒉𝒂, 𝑻𝒐̂𝒍𝒂𝒈𝒏𝒂𝒓𝒐, 𝒏𝒐 𝒏𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒊𝒕𝒚 𝒇𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏-𝒅𝒂𝒏𝒋𝒂 𝒊𝒕𝒚.

Inona no nivoitra tamin’izany?

👉 Jeritodika: Nisy ny tomban’ezaka sy fijerena ireo vokatry ny dinika efa nifanaovana teo aloha.

👉 Paikady vaovao: Nodinihina ny paikady vaovao sy maharitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena, mikendry indrindra ny hanatsaràna ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eo anivon’ny Faritra Anôsy.

Niavaka ity andiany fahatelo ity tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra mivantana sy nifanaovan’ireo solotenan’ny sehatra tsy miankina sy ireo solotena avy amin’ny rafi-panjakana. Samy naneho ny hetahetany sy ny fomba fijeriny hoentina hanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny rehetra.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Anôsy, Ramatoa Tale Jeneralin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ary Andriamatoa Tale iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Tôlagnaro.

Miara-mientana ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’ny Faritra!

Vous aimerez aussi...