Namakia: Voalamina ny disadisa momba ny fandanjana fary taorian’ny fidinana ifotony

𝙉𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙛𝙤𝙩𝙤𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙉𝙖𝙢𝙖𝙠𝙞𝙖 𝙣𝙮 13 𝙨𝙮 14 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 𝙡𝙖𝙨𝙖 𝙩𝙚𝙤 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙗𝙤𝙧𝙤𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙄𝙣𝙙𝙤𝙨𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙈𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖, 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙖𝙡𝙖𝙡𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙚𝙠𝙞𝙥𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘿𝙄𝙍𝙄𝘿𝙎𝙋 𝙈𝙖𝙝𝙖𝙟𝙖𝙣𝙜𝙖, 𝙣𝙞𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙤𝙢𝙥𝙤𝙣’𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙠𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙈𝙚́𝙩𝙧𝙤𝙡𝙤𝙜𝙞𝙚 𝙇𝙚́𝙜𝙖𝙡𝙚 𝙚𝙤 𝙖𝙣𝙞𝙫𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖. 𝙉𝙮 𝙖𝙣𝙩𝙤𝙣’𝙞𝙯𝙖𝙤 𝙙𝙞𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙖𝙝𝙤 𝙣𝙞𝙚𝙡𝙮 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙢𝙗𝙖𝙟𝙤𝙩𝙧𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙡𝙖𝙯𝙖 𝙛𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙣𝙟𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙋𝙤𝙣𝙩 𝘽𝙖𝙨𝙘𝙪𝙡𝙚 𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙖𝙣𝙟𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙧𝙮. 𝙉𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙝𝙞𝙖𝙝𝙮 𝙨𝙮 𝙙𝙞𝙨𝙖𝙙𝙞𝙨𝙖 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙞𝙨𝙖𝙣-𝙠𝙖𝙧𝙖𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙣𝙠𝙖𝙩𝙤𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙤𝙢-𝙥𝙞𝙝𝙤𝙩𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖, 𝙠𝙖 𝙣𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙧𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙛𝙖 𝙞𝙡𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙠𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙞𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖.
Nandritra ny fanaraha-maso sy ny famerenana ny fanamarinana (contre-vérification) niarahana tamin’ny solotenan’ny mpamboly, ny mpanapaka sy mpitatitra fary, ny Tale Jeneralin’ny orinasa, ary ireo olom-boafidy teo an-toerana, dia hita sy voaporofo fa madio ary tsy misy hosoka ny fandanjana. Mba hialana amin’ny ahiahy amin’ny ho avy dia nasiana kase (plomb) avy hatrany io fitaovana io. Nandritra ny fihainoana sy ny fifanakalozana ampahibemaso kosa dia niarahan’ny rehetra nanaiky fa ny tsy fahampian’ny serasera sy ny tsy fifankazahoana ara-pitenenana no tena fototry ny olana fa tsy nisy fitaka izany.
Vokatry ny fivoriana fampihavanana nifanaovana, dia nisy ny fifanarahana voarakitra anaty PV vita sonia teo amin’ireo mpisehatra rehetra mba hisorohana ny olana. Voaravona tanteraka ny disadisa ankehitriny, ary mbola hanohy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany fifanarahana izany ny DIRIDSP amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny komity mpanara-maso. Noho izany, entanina ny rehetra mba tsy ho mora handairan’ny tsaho, fa hanatona hatrany ny tompon’andraikitra mivantana raha misy ny tranga mampiahiahy.
