Fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fandaharan’asam-pirenena ho an’ny fiaraha-miasa (PCP) Madagasikara 2026-2030

𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 23 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 2026, 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘦𝘯𝘵𝘳𝘦 𝘥𝘦 𝘊𝘰𝘯𝘧𝘦́𝘳𝘦𝘯𝘤𝘦𝘴 𝘐𝘯𝘵𝘦𝘳𝘯𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘦𝘴 (𝘊𝘊𝘐) 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘮𝘦 𝘥𝘦 𝘗𝘢𝘳𝘵𝘦𝘯𝘢𝘳𝘪𝘢𝘵 𝘗𝘢𝘺𝘴 (𝘗𝘊𝘗) 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 2026–2030, 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘢𝘴𝘢 𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘔𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 (𝘖𝘕𝘜𝘋𝘐) 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢.
Ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Programme de Partenariat Pays (PCP) Madagascar 2026–2030. Nambarany fa laharam-pahamehan’ny Fanjakana ny fanodinana ny harena sy ny akora eto an-toerana, ny fanamafisana ny famokarana ary ny famoronana asa mendrika. Nohamafisiny fa dingana lehibe amin’ny fanovana ara-toekaren’i Madagasikara ity fandaharan’asa ity, izay mikendry ny hanangana indostria maoderina, maitso ary afaka mifaninana.
Ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia nanazava fa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny ONUDI ny PCP. Kendrena amin’izany ny hampiroborobo ny indostria, hanamafy ny rojo sanda, hanohana ny sehatra tsy miankina, hisarihana fampiasam-bola ary hamorona asa, indrindra ho an’ny tanora sy ny vehivavy.
Ho an’ny Solotena Maharitry ny ONUDI eto Madagasikara, RAKOTONDRAZAFY Volatiana, dia nambarany fa sehatra nasionaly iarahan’ny rehetra miasa ny PCP, ka ny fiaraha-mientana no antoky ny fanovana ny harena misy eto Madagasikara ho fampandrosoana maharitra sy fanambinana iombonana.
Tomponandraikitra maro no nanome voninahitra ny lanonana, isan’izany ny Governemanta notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, ny Antenimieram-pirenena, ny Firenena Mikambana notarihin’ny Mpandrindra Maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny vondrona iraisam-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny oniversite sy ireo ivon-toeram-pikarohana.
Madagasikara mpamokatra, mpanodina ary manana indostria matanjaka no vina iraisan’ny PCP Madagasikara 2026–2030.
