Lanonam-panokanana ny trano vaovaon’ny ANMCC (๐—”๐˜‚๐˜๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฒฬ ๐—ก๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ฒ ๐—–๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ด๐—ฒฬ๐—ฒ ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€ ๐— ๐—ฒ๐˜€๐˜‚๐—ฟ๐—ฒ๐˜€ ๐—–๐—ผ๐—ฟ๐—ฟ๐—ฒ๐—ฐ๐˜๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜€ ๐—–๐—ผ๐—บ๐—บ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฐ๐—ถ๐—ฎ๐—น๐—ฒ๐˜€) na fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanintsiana ara-barotra

๐˜ˆ๐˜ฏ๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฐ๐˜ฃ๐˜ข๐˜ต๐˜ฐ, 30 ๐˜‘๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ข๐˜บ 2026 โ€“ ๐˜•๐˜ฐ๐˜ต๐˜ข๐˜ฏ๐˜ต๐˜ฆ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ญ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฎ-๐˜ฑ๐˜ช๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฌ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ ๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ˆ๐˜•๐˜”๐˜Š๐˜Š, ๐˜ณ๐˜ข๐˜ง๐˜ช-๐˜ฑ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ซ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ข๐˜ฉ๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜”๐˜ช๐˜ฏ๐˜ช๐˜ด๐˜ช๐˜ต๐˜ฆ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜๐˜ข๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ด๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜๐˜ข๐˜ฏ๐˜ซ๐˜ช๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข, ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ณ๐˜ข๐˜ช๐˜ฌ๐˜ช๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ช๐˜ฉ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ช๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ง๐˜ฆ๐˜ฑ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ช๐˜ต๐˜ด๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข-๐˜ฃ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ฉ๐˜ช๐˜ข๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ท๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฆ๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฎ-๐˜ฑ๐˜ช๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ด๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ด๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ข-๐˜ฑ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ฐ ๐˜”๐˜ข๐˜ฅ๐˜ข๐˜จ๐˜ข๐˜ด๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข.

โœ… Notronin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny lanonana, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana. Anisan’ireo tonga nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

๐Ÿ“Œ Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Praiminisitra fa tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) ny fanamafisana ny rafitra miaro ny varotra sy ny famokarana eto an-toerana. Nambarany fa ny tanjona dia ny hiantohana tsena madio sy ara-drariny, hiarovana ny mpamokatra Malagasy, ary hanomezana ny mpanjifa vokatra manaraka ny fenitra takiana sy mora vidy.

โœ… Notsindriany ihany koa fa tsy misaraka ny varotra sy ny indostria, fa mifameno sy mifampiankina. Ny fepetra fanitsiana ara-barotra dia manampy amin’ny fiarovana ny indostria nasionaly amin’ny fifaninanana tsy ara-drariny, ka ahafahan’ireo orinasa eto an-toerana mamokatra sy mifaninana amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena. Ao anatin’izany indrindra no ananan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana sy fampiroboroboana ny sehatra indostrialy, miaraka amin’ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana voakasika.

๐Ÿ“Œ Ny ANMCC dia miandraikitra ny fanadihadiana sy ny fametrahana fepetra fanitsiana ara-barotra rehefa misy fitobahan’ny entana hafarana, fanafarana amin’ny vidiny tsy ara-drariny, na endrika fifaninanana manimba izay mety hiteraka fahavoazana ho an’ny orinasa sy ny seha-pamokarana eto Madagasikara.

โœ… Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia porofon’ny fahavononan’ny Governemanta hanamafy ny fiaraha-miasan’ireo sampandraharaham-panjakana, hampifandray akaiky ny politika ara-barotra sy ara-indostria, ary hametraka tontolo ahafahan’ny indostria nasionaly miroborobo, mamorona asa, mampitombo ny harin-karena ary mampihena tsikelikely ny fiankinan-doha amin’ny vokatra avy any ivelany.

Vous aimerez aussi...