Fiaraha-miasa Togo – Madagasikara : Fifampizarana traikefa eo amin’ny Indostria sy ny Fambolena

𝘈𝘥𝘦́𝘵𝘪𝘬𝘰𝘱𝘦́ – 𝘛𝘰𝘨𝘰, 12 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘴𝘪𝘥𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘳𝘢𝘪𝘬𝘦𝘧𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘨𝘰 𝘯𝘺 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘔𝘈𝘕𝘈𝘕𝘒𝘖𝘙𝘈𝘐𝘚𝘐𝘕𝘈 𝘛𝘢𝘵𝘢𝘮𝘪𝘢𝘳𝘪𝘴𝘰𝘢 𝘓𝘢𝘯𝘥𝘳𝘺.
Nitsidika ny Plateforme Industrielle d’Adétikopé (PIA) ny delegasiona, izay sehatra indostrialy lehibe ao Togo, mba hijery ny fomba fampandrosoana ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana ireo vokatra sy akora eny ifotony.
Nifantoka tamin’ny fanamorana ny raharaham-panjakana, ny fanohanana ny mpampiasa vola ary ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ihany koa ny fifanakalozana tamin’ireo sampan-draharaha ao amin’ny « Guichet Unique » ao amin’ny PIA.
Manamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana traikefa eo amin’i Togo sy Madagasikara ity fitsidihana ity, indrindra amin’ny fampandrosoana ny indostria, ny fanodinana vokatra ary ny fampivelarana ny rojo-pihariana.
Ny fifampizarana traikefa eo amin’ireo firenena afrikanina dia anisan’ny hery entina manafaingana ny fampandrosoana.
