Moris-Mada Business Connect Summit 2026

𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗠𝗮𝗼𝗿𝗶𝘀𝘆 : 𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗵𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝘁𝘀𝗮𝗽𝗮𝗶𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮

📍𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 13 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘍𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 10, 𝘧𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘵𝘪𝘩𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 500, 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘪𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯’𝘯𝘺 100 𝘢𝘳𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 3 𝘧𝘢𝘳𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘬𝘦𝘭𝘪𝘯𝘺 𝘯𝘰 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 2 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’ 𝘪𝘵𝘺 𝘔𝘖𝘙𝘐𝘚-𝘔𝘈𝘋𝘈 𝘉𝘜𝘚𝘐𝘕𝘌𝘚𝘚 𝘊𝘖𝘕𝘕𝘌𝘊𝘛 𝘚𝘜𝘔𝘔𝘐𝘛 2026 𝘪𝘵𝘺.

✅Eo ambany Fitarihana Avon’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Malagasy, RAJAONARISON Mamitiana, ary karakarain’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Maorisy Madagasikara (CCIMM), ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Faritra Afrika sy Ranomasimbe Indianina (AIOCCI) ary ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM) moa ity hetsika ity.

📌Ny fanamafisana ny fifamatorana ara-barotra sy ara-indostrialy eo amin’ny Nosy roa tonta dia mametraka ambony ny fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny Ranomasimbe Indianina, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny MORIS-MADA BUSINESS CONNECT SUMMIT. Hitondra vokatra azo tsapain-tanana ny fampifandraisana ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena ary hampivelatra ny seha-piharian’ny tsirairay hoy kosa ny Minisitry ny Asa sy ny Fifandraisana ara-indostria avy ao Maorisy, Muhammad Reza Cassam UTEEM, izay tonga nanatrika ity fihaonambe ity.

📌Mijery vahaolana maharitra sy mahomby hatrany ny rafi-panjakana ankehitriny. Ary ny Governemanta Malagasy dia mikendry ny hampiverina an’i Madagasikara ho loharanon-toekarena lehibe ho an’ny Ranomasimbe Indianina.

Vous aimerez aussi...