Fihaonana an-tampony faha 46 ny SADC : ny Indostria, ivon’ny fanovana ara-toekarena eto amin’ny faritra

𝐷𝑢𝑟𝑏𝑎𝑛 – 𝐴𝑓𝑟𝑖𝑘𝑎 𝐴𝑡𝑠𝑖𝑚𝑜, 16 𝑎𝑜𝑔𝑜𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎 2026 – 𝐸𝑓𝑎 𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑛𝑦 𝐷𝑢𝑟𝑏𝑎𝑛 𝑛𝑦 𝑑𝑒𝑙𝑒𝑔𝑎𝑠𝑖𝑜𝑛𝑎 𝑀𝑎𝑙𝑎𝑔𝑎𝑠𝑦, 𝑡𝑎𝑟𝑖ℎ𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑅𝑒𝑝𝑜𝑏𝑙𝑖𝑘𝑎𝑛’𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎, 𝐾𝑜̂𝑙𝑜𝑛𝑒𝑙𝑦 𝑅𝐴𝑁𝐷𝑅𝐼𝐴𝑁𝐼𝑅𝐼𝑁𝐴 𝑀𝑖𝑐ℎ𝑎𝑒̈𝑙, ℎ𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑛𝑗𝑎𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖ℎ𝑎𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛-𝑡𝑎𝑚𝑝𝑜𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎 46 𝑛𝑦 𝑆𝐴𝐷𝐶.
Anisan’ny delegasiona manatrika ity fihaonana ity ihany koa Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Miompana amin’ny fananganana indostria mahazaka krizy, maharitra ary mampiaty ny rehetra ny lohahevitra amin’ity fihaonana ity, amin’ny alalan’ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ary ny fanomezan-danja ireo harena an-kibon’ny tany stratejika – « Une industrialisation résiliente, durable et inclusive grâce au développement des infrastructures, à la transformation de l’agriculture et des minerais critiques, dans la quête d’un monde plus juste ».
Ho an’i Madagasikara, fotoana iray hanamafisana ny fanodinana eto an-toerana, ny famoronana asa, ny fampiasam-bola ary ny fidirana amin’ny tsenam-paritra ny fiaraha-miasa eo anivon’ny SADC.
