Salon de l’Industrie et du Commerce | IN-CO 2026
𝗠𝗮𝗻𝗼𝘃𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝘀𝗮𝗻𝗱𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗻𝘆, 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗮𝘀𝗮

𝘉𝘢𝘳𝘦𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 20 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘰𝘭𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘭𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘭’𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦 𝘦𝘵 𝘥𝘶 𝘊𝘰𝘮𝘮𝘦𝘳𝘤𝘦 – 𝘐𝘕-𝘊𝘖 2026, 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.
Miahy ity hetsika ity ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP). Notsindrian’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MIDSP, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, fa tsy tokony hijanona amin’ny famokarana sy fanondranana akora fototra i Madagasikara, fa hampitombo ny fanodinana eto an-toerana mba hamoronana sanda fanampiny, orinasa mifaninana ary asa ho an’ny Malagasy.
Manohana izany ny » Pacte de Programmation Industrielle » sy ny » Programme de Partenariat Pays Madagascar (PCP) », izay samy manamafy ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary mampiroborobo ny fampiasam-bola sy ny tetikasa indostrialy.
Mandritra ny telo andro, fotoana iray ihany koa ny IN-CO 2026 ho an’ny tanora hifanerasera mivantana amin’ireo orinasa sy hahafantatra ireo tolotr’asa sy fahafahana eo amin’ny sehatry ny indostria.
