Famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra ao amin’ny zanatsehatra Simia, andiany Taratra

𝘖𝘯𝘪𝘷𝘦𝘳𝘴𝘪𝘵𝘦𝘯’𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 28 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘢𝘵𝘦𝘥𝘳𝘢𝘭𝘺 (𝘕𝘈𝘚) 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘰𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘪𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘪𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘓𝘪𝘤𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 150 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘛𝘈𝘙𝘈𝘛𝘙𝘈, 𝘡𝘢𝘯𝘢𝘵𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘚𝘪𝘮𝘪𝘢, 𝘍𝘢𝘬𝘪𝘰𝘭𝘵𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘪𝘢𝘯𝘴𝘢, 𝘖𝘯𝘪𝘷𝘦𝘳𝘴𝘪𝘵𝘦𝘯’𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰.
Ramatoa Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), TIDAHY Chantal, no nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, izay Ray mpiahy ny Andiany TARATRA.
Ho fanohanana sahady ny fidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa, dia nanolotra loka ho an’ireo mpianatra voalohany isaky ny sampana telo ny MIDSP. Hisitraka fizàrana arak’asa (stage) eo anivon’ireo orinasa indostrialy izy ireo, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM), mba hahafahan’izy ireo mampihatra ny fahalalana noratoviny sy mizatra amin’ny tontolon’ny asa.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny indostria ny Simia, indrindra eo amin’ny indostrian’ny sakafo, ny famokarana fanafody sy kosmetika, ny angovo, ny fanodinana akora, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanadiovana rano. Zava-dehibe ihany koa ny fahaiza-manao ara-tsimia amin’ny fiantohana ny kalitaon’ny vokatra sy ny fanajana ny fenitra.
Ny fanofanana tanora manam-pahaizana sy ny fampifandraisana ny fahaiza-manaony amin’ny filàn’ny sehatry ny indostria dia isan’ny antoka lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.
