Antso ho an’ny rehetra : mandraisa anjara amin’ny fandrafetana ny politika nasionaly momba ny fampiasam-bolam-panjakana

Manokatra Fiantsoana Fahalinana (Appel à Manifestation d’Intérêts) ny Primatiora – Foibem-Pitondrana Ankapoben’ny Fampiasam-bolam-panjakana, ho an’ireo manam-pahaizana, mpikaroka, mpisehatra amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, PTF, ary ireo Malagasy rehetra manana fahaiza-manao, traikefa na tolo-kevitra momba ny fampiasam-bolam-panjakana.

🎯 Tanjona : hanangona ireo hevitra sy fahaiza-manao samihafa ho fananganana Politika Nasionaly maharitra, marin-toerana ary mifantoka amin’ny vokatra sy ny fampandrosoana ny firenena.

📅 08 Septambra – 09 Oktobra 2026

➡️ Fanehoana fahalianana sy fisoratana anarana.

📅 19 Oktobra – 18 Desambra 2026

➡️ Fifanakalozana ara-teknika isaky ny lohahevitra.

👉 Manana hevitra na tolo-kevitra afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fampiasam-bolam-panjakana ve ianao?

Sokafy ny QR Code ary mandraisa anjara amin’ny fananganana ny Politika Nasionaly.

Ny politika nasionaly dia tokony hiorina amin’ny fahaiza-manao sy ny hevitra iarahan’ny Malagasy. 🇲🇬

Vous aimerez aussi...