Lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy amin’ny tunnel Ambohidany

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 08 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘻𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘧𝘢𝘮𝘰𝘪𝘷𝘰𝘪𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘈𝘮𝘣𝘰𝘩𝘪𝘥𝘢𝘩𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘪𝘥𝘰𝘥𝘰𝘥𝘰𝘥𝘰 𝘯𝘪𝘫𝘦𝘳𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘯𝘪𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘏𝘰̂𝘱𝘪𝘵𝘢𝘭𝘺 𝘏𝘑𝘙𝘈 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢.
Minisitra maromaro no tonga teny an-toerana ka anisan’izany Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Araka ny tatitra voaray avy amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Hôpitaly HJRA dia olona sivy no niharam-boina tamin’ity loza ity, ka roa no maty, iray no efa afaka nody ary enina kosa no mbola manaraka fitsaboana.
Ny Fitondram-panjakana no hiantoka ny fandaniana rehetra amin’ny fitsaboana ireo naratra, ary ihany koa ny mikasika ireo nodimandry. Manentana ny tsirairay hatrany mba hanaja ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ho fisorohana ny loza tahaka izao.
Ny MIDSP dia mampahery ireo rehetra niharam-boina ary mitondra ny teny fampiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo nodimandry.
