Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fizahantany

𝘝𝘪𝘭𝘭𝘢𝘨𝘦 𝘛𝘰𝘶𝘳𝘪𝘴𝘵𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢 — 26 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘔𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘻𝘢𝘩𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘺, 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 : « 𝘓𝘦 𝘯𝘶𝘮𝘦́𝘳𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘦𝘵 𝘭’𝘪𝘯𝘵𝘦𝘭𝘭𝘪𝘨𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘢𝘳𝘵𝘪𝘧𝘪𝘤𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 𝘳𝘦𝘱𝘦𝘯𝘴𝘦́𝘦 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭𝘦 𝘵𝘰𝘶𝘳𝘪𝘴𝘮𝘦 », 𝘯𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘻𝘢𝘩𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘴𝘢-𝘵𝘢̀𝘯𝘢𝘯𝘢. 𝘋𝘪𝘢𝘣𝘦 𝘯𝘢𝘮𝘢𝘬𝘪𝘷𝘢𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘩𝘢𝘻𝘰 𝘯𝘺 𝘝𝘪𝘭𝘭𝘢𝘨𝘦 𝘵𝘰𝘶𝘳𝘪𝘴𝘵𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘯𝘰 𝘯𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢.
Nanatrika izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Nohamafisina nandritra ny fankalazana fa tsy afa-misaraka amin’ny fizahantany intsony ny sehatra nomerika sy ny ilon-tsaina artifisialy, izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ireo toerana fizahantany sy fanomezana tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny mpizahantany.
Notsindriana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra, mba hahatonga ny sehatry ny fizahantany ho matihanina kokoa sy hiteraka harena ho an’ny firenena. Manana harena ara-pizahantany maro i Madagasikara, ka antsoina ihany koa ny Malagasy mba hanome lanja sy hirotsaka bebe kokoa amin’ny fizahantany eto an-toerana.
