MADAGASIKARA – GUINEE : Fifanankalozana traikefa ho fampandrosoana ny Indostria

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 1 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘰𝘳𝘪𝘣𝘢 𝘈𝘭𝘢𝘪𝘯 𝘒𝘖𝘕𝘌, 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘎𝘶𝘪𝘯𝘦́𝘦 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

📌Nifampiresaka momba ny Programa Simandou 2040 any Guinée izy ireo, indrindra ny paikady entina mampiroborobo ny indostria, misarika ny fampiasam-bola ary manamafy ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany ho lasa vokatra manana sanda fanampiny ambony kokoa.

✅Nifantoka tamin’ny fahafahana manamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny dinika, amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa sy ny fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina.

✅Izao fihaonana izao dia manokatra lalana ho amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana fomba fanao, ho fanohanana ny fampandrosoana indostrialy sy ny famoronana tombontsoa ara-toekarena ho an’i Madagasikara sy Guinée.

Vous aimerez aussi...