Toamasina : Manamafy ny fanohanany ny Indostria Malagasy ny Fanjakana

𝘈𝘮𝘣𝘰𝘥𝘪𝘵𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘩𝘰, 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 – 02 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026
Notanterahina androany ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny VIKA CEMENT LTD, orinasa vaovao misehatra amin’ny famokarana simenitra sy rihatra simenitra azo ampiasaina avy hatrany, izay manamarika dingana iray amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto an-toerana.
Nanome voninahitra izany lanonana izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Ny fisian’ity orinasa ity dia manampy amin’ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana, ny famoronana asa ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanorenana.
Manamafy ny fahavononan’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny MIDSP, hanohana ireo orinasa Malagasy sy hampiroborobo ny famokarana eto an-toerana izao hetsika izao.
Ndao hanohana ny indostria Malagasy ary hifidy ny vokatra vita eto an-toerana!
» Isika miaraka no mampandroso ny firenena. «
