Vitrine du Vakinankaratra 2026 |  » Haivao ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra « 

𝘈𝘯𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘣𝘦, 16 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 « 𝘝𝘪𝘵𝘳𝘪𝘯𝘦 𝘥𝘶 𝘝𝘢𝘬𝘪𝘯𝘢𝘯𝘬𝘢𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 », 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-28, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘐𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘰 𝘝𝘈𝘬𝘪𝘯𝘢𝘯𝘬𝘢𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘢 𝘍𝘐𝘖𝘝𝘈 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘰𝘦𝘷𝘢 387 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘭𝘰 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰.

📌 Ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, niaraka tamin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary natrehan’ireo olona manan-kaja maro sivily sy miaramila.

✅ Manohana izao hetsika izao ny MIDSP ho fanomezana tan-tsoroka ireo mpandraharaha Malagasy maro ao Vakinankaratra, misehatra amin’ny fambolena, fiompiana, indostria, asa tanana, mba hampivelatra ny seha-pihariana misy azy ireo, hampitombo ny tsena ho an’ny vokatra Malagasy ary hampiroborobo ny famokarana eto an-toerana.

📌 Mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika ihany koa ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP), Faritra Vakinankaratra, amin’ny alalan’ny fampirantiana ireo vokatry ny orinasa ODOF.

Vous aimerez aussi...