Fankalazana ny fetin’ny fahafahana tao Antsohihy

📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘰𝘩𝘪𝘩𝘺, 14 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘢𝘷𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘦𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 13 𝘴𝘺 14 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 𝘵𝘢𝘰 𝘈𝘯𝘵𝘴𝘰𝘩𝘪𝘩𝘺, 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘚𝘰𝘧𝘪𝘢. 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘯𝘰 𝘯𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘥𝘢𝘵𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺.

✅Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry.

📌Anisan’ny nisongadina nandritra ny fandaharam-potoana ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’Itompokolahy TSIRANANA Philibert, Filohan’ny Repoblika voalohany sady fantatra amin’ny anarana hoe Rain’ny Fahaleovantena, tao Anahidrano, toerana nahaterahany.

✅Nofaranana tamin’ny matso lehibe tao Antsohihy ny lanonana, izay nandraisan’ny tafika sy ny sivily anjara, ary natrehan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy vahiny nasaina.

✅Fotoana lehibe ho an’ny firenena ny fankalazana ny Fetin’ny Fahafahana, ho fanamafisana ny fahatsiarovana ny tantara, ny firaisankinam-pirenena ary ny fitiavan-tanindrazana, ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...