Lozam-pifamoivoizana tao Antsapazana | eo anilan’ny vahoaka hatrany ny Fitondram-panjakana

📍 𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘱𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢, 14 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘥𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘧𝘰𝘵𝘰𝘯𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘯𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘢𝘮𝘪𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘵𝘪𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘵𝘢𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘪𝘭𝘢𝘺 𝘭𝘰𝘻𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘧𝘢𝘮𝘰𝘪𝘷𝘰𝘪𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘺 13 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢.
Olona fito no namoy ny ainy, telo no naratra mafy ka efa mahazo fitsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Moramanga ary ny iray kosa no voatery nalefa aty Antananarivo noho ny fahasarotan’ny fahasalamany.
Nijery ny toerana nitrangan’ny loza ireo tompon’andraikitra ary nanolotra fanampiana ho an’ireo naratra. Naneho fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana namoy havana ihany koa izy ireo, sady nanolotra fao-dranomaso.
Mirary fahasitranana ho an’ireo naratra ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana rehetra tra-pahoriana.
📷 Sary : Dépêche Informative Taratra
