Fanolorana solosaina miisa 20 ho an’ireo Fitaleavana iraisam-paritra 10 eto anivon’ny MIDSP

💻 𝘈𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘯𝘬𝘢𝘱𝘰𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 (𝘗𝘎𝘌-𝘙) 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 20 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘏𝘢𝘪𝘵𝘢𝘰 𝘈𝘳𝘢-𝘬𝘢𝘫𝘺 𝘮𝘪𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘗𝘢𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 (𝘔𝘕𝘋𝘗𝘛).
📍 Natolotr’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina avy hatrany ireo Fitaleavana Iraisam-paritra miisa 10 ireo fitaovana ireo, mba hanatsarana ny fanatanterahana ny asa eny ifotony sy hanamafisana ny kalitaon’ny tolotra omena ny vahoaka.
✅ Mifanaraka amin’ny atrikasa fanamafisana ny fandrindrana ny asa iarahana amin’ireo Tale Iraisam-paritra izao fandraisana fitaovana izao, ary maneho ny ezaka ataon’ny Minisitera amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny fanamafisana ny fahafahan’ireo sampandraharaham-panjakana manatanteraka ny andraikiny.
