Fanamasinana ny EVEKA Mpanampy vaovao any amin’ny Diosezin’i Morondava

𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂, 26 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑽𝒊𝒕𝒂 𝒔𝒐𝒂 𝒂𝒎𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒔𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑬𝒗𝒆𝒌𝒂 𝑴𝒑𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑫𝒊𝒐𝒔𝒆𝒛𝒊𝒏’𝒊 𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂, 𝑴𝒐𝒏𝒔𝒆𝒏𝒊𝒆𝒓𝒂 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑫𝑹𝑨𝑰𝑵𝒀 𝑱𝒆𝒂𝒏𝒏𝒐𝒕 𝑴𝒂𝒓𝒕𝒊𝒂𝒍.
Nanotrona ny lamesa lehibe fanamasinana notanterahina tao amin’ny Katedraly Maria Manjaka Morondava, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël sy Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana ary ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta ka isan’izany Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana fa resahina foana ny hoe « Laïcité de l’État », fa izy kosa dia mijoro fa ilain’ny Firenena ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny Fiangonana, raha toa ka mifototra amin’ny tombontsoan’ny Firenena sy ny vahoaka izany.
Izao fanotronana izao dia maneho indray ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny Fanjakana sy ny Fiangonana ho fampandrosoana ny Firenena sy ho fanasoavana ny vahoaka Malagasy.
Mirary fahombiazana sy fahasoavana ho an’i Monseniera ANDRIANANDRAINY Jeannot Martial amin’ny andraikitra masina sahaniny ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina.
