Fitondrana vahaolana manoloana ireo olana misy any Morondava

𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂, 25 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑻𝒐𝒏𝒈𝒂 𝒔𝒐𝒂 𝒂𝒎𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂 𝒂𝒐 𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑰𝒏𝒅𝒐𝒔𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒍𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑺𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝑻𝒔𝒚 𝑴𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂, 𝑹𝑨𝑯𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑵𝑱𝑨𝑻𝑶 𝑵𝒚 𝑹𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑵𝒂𝒎𝒑𝒐𝒊𝒏𝒂, 𝒉𝒊𝒅𝒊𝒏𝒊𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒋𝒆𝒓𝒚 𝒗𝒂𝒉𝒂𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒍𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒐𝒓𝒊𝒏𝒂𝒔𝒂 𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒏-𝒕𝒐𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂.
Nandray anjara avy hatrany tamin’ny fivoriana notanterahina tao amin’ny Prefektioran’i Morondava ny Minisitra, niaraka tamin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Préfet, ny Lehiben’ny Faritra Menabe, ireo mpikambana ao amin’ny OMC, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ny Tale Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina Vakinankaratra–Menabe ary ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Menabe.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny Faritra ny dinika. Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra fa laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny ny orinasa SIRANALA araka ny efa nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, ka ilaina ny fanamafisana ny fiarovana ny faritra famokarana siramamy, ny voly fary ary ny fananan’ny orinasa manontolo. Izany dia mba hahafahan’ny mpampiasa vola mamerina ny fampandehanana ny orinasa ao anatin’ny filaminana sy ny fahatokisana.
Anisan’ny lohahevitra nodinihina ihany koa ny fampidirana amin’ny ara-dalàna ireo orinasa mpanodina sy mpanondrana voanjo ao Bemanonga. Nohamafisina fa hisy ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra voakasika mba hiantohana ny fitantanana sy ny fanariana ny fako araka ny fenitra, ho fiarovana ny tontolo iainana.
Mitohy ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, miaraka amin’ireo sampandraharaham-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ho fanamafisana ny fampiasam-bola, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fampandrosoana maharitra eny ifotony.
