Atrikasa ho fanamafisana ny fandrindrana ny asa eto anivon’ny MIDSP miaraka amin’ireo Fitaleavana iraisam-paritra

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 08 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘳𝘰𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘯𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢, 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘧𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢.
✅Mazava ny tanjona hoy ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina dia ny hanatsarana sy handrindrana ny asa eny ifotony mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka, ny fametrahana araka ny tokony ho izy ny toeran’ireo DIRIDSP eny anivon’ny Faritra, ary ny fampitoviana ny fomba fiasa sy ny lentan’ny asa manerana ny Faritra.
