Fanomezana sanda eto an-toerana ny harena an-kibon’ny tany : antoky ny fampandrosoana ny Toekarena

📌Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina dia handray anjara amin’ny adihevitra mitondra ny lohahevitra hoe « Avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ho amin’ny vokatra manana sandany: ny fametrahana ny fampiasam-bola ho antoky ny fanovana ny toekarena », mandritra ny World Investment Forum 2026, izay hotanterahina any Doha, Qatar, rahampitso 25 Oktobra.

✅Hodinihina amin’izany ny anjara andraikitry ny fampiasam-bola sy ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto an-toerana, ny fanitarana ny sehatra ara-toekarena ary ny famoronana tombontsoa maharitra ho an’ireo firenena mpamokatra harena an-kibon’ny tany.

🔗 Rohy mankany amin’ny adihevitra: https://worldinvestmentforum.unctad.org/wif2026/session/minerals-value-mobilizing-investment-economic-transformation

🌐 Tranonkala ofisialin’ny WIF: https://worldinvestmentforum.unctad.org/

#WIF2026

Vous aimerez aussi...