GEW 2026 : Miara-mientana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana

𝘓𝘦 𝘓𝘰𝘶𝘷𝘳𝘦 𝘏𝘰̂𝘵𝘦𝘭 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘪𝘯𝘢, 16 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 (𝘎𝘭𝘰𝘣𝘢𝘭 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴𝘩𝘪𝘱 𝘞𝘦𝘦𝘬 – 𝘎𝘌𝘞 2026), 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘛𝘩𝘦 𝘞𝘰𝘳𝘭𝘥 𝘕𝘦𝘦𝘥𝘴 𝘞𝘩𝘢𝘵 𝘠𝘰𝘶 𝘉𝘶𝘪𝘭𝘥 ».
Miara-mientana amin’izao hetsika izao ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ny sehatra tsy miankina, mba hanamafisana ny tontolo iray manohana ny fandraharahana sy ny fanavaozana.
Laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny famoronana asa sy ny fanomezana sehatra ny tanora hanehoany ny fahaiza-manaony sy ny talentany. Tafiditra amin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ary ny fanamorana ny tontolon’ny fandraharahana.
Nohamafisin’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny lanonana fa eo am-panomanana ny volavolan-dalàna momba ny Start-up eto Madagasikara ny Fanjakana, ho fanamafisana ny fanohanana ireo tanora manana tetikasa sy hevitra vaovao.
Manomboka ny 19 ka hatramin’ny 22 novambra 2026, ao amin’ny CCI Ivato, no hanohizana ny hetsika eto Antananarivo, mandritra ny Salon International des Affaires et de l’Entrepreneuriat (SIAE), izay hanolotra sehatra ho an’ny fifanakalozana, ny fanofanana, ny fampirantiana ary ny fampifandraisana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola.
