Fiainana anatiny eto anivon’ny MIDSP

𝗔𝗻𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮.
𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 26 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘡𝘢𝘷𝘢-𝘥𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘫𝘦𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘴𝘢𝘭𝘢𝘮𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘦𝘩𝘢 𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗).
Notanterahina androany tao amin’ny Efitrano fivoriana Anosy ny fitiliana ireo aretina mitarazoka toy ny diabeta, ny tosidrà, ny habetsahan’ny tavy. Hetsika karakarain’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana (SMS), ary hiarahana miasa amin’ny laboratoara Denk Pharma ho fitsinjovana ny mpiara-miasa.
Mpiara-miasa salama tsara sy tomady hoy ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina no mampandroso ny Minisitera ka manao zava-dehibe ny fanaraha-maso izany fahasalamana izany ny eto anivon’ny MIDSP.
