SIAE 2026 | Fanohanana ny fandraharahana avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF)

📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 21 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘬𝘰̂𝘧𝘰̂𝘯𝘪𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘰𝘭𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰.
✅ Mampisokatra varavarana amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fampiasana ny teny frantsay, ka manamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena 92 ao anatin’ny Frankôfônia, izay ahitana mpanjifa maherin’ny 300 tapitrisa. Tombontsoa lehibe ho an’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fivelaran’ny orinasa izany.
📌 Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria, RAZAFINDRAZAKA Naina, nandritra ny atrikasa teny amin’ny CCI Ivato, fa ilaina ny manararaotra ireo fahafahana atolotry ny tontolon’ny Frankôfônia mba hanamafisana ny fifanakalozana sy ny fampiasam-bola.
Tanjon’izany ny fananganana toekarena maharitra sy iarahan’ny rehetra misitraka, izay mitondra tombontsoa mivaingana ho an’ny firenena.
