GEW 2026 – Manakara : fankalazana ny herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana

📍 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢, 19–20 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘷𝘪𝘯𝘢𝘯𝘺, 𝘯𝘺 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘔𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 (𝘎𝘌𝘞 2026), 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢, 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘝𝘢𝘵𝘰𝘷𝘢𝘷𝘺, 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘷𝘪𝘯𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘳𝘺 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢.

✅Notanterahina niaraka tamin’ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny Tetikasa PIC3 ny hetsika, izay nahitana fampirantiana ireo vokatra mampiavaka ny faritra telo, indrindra ny vokatra avy amin’ny kaoperativa sy ny sehatry ny agribusiness.

✅Ny andro faharoa kosa dia natokana ho an’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandraharaha, indrindra mikasika ny fomba fananganana sy fampanarahan-dalàna ny orinasa, niarahana tamin’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Manakara, ny tetikasa EAGER, ny EDE ary ny EDBM.

📌Hetsika iray entina hampiroboroboana ny fandraharahana, hanomezana lanja ny vokatra eny an-toerana ary hanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena isam-paritra ny fankalazana ny GEW.

Vous aimerez aussi...