MIDSP – OMAPI – MESUPRES

𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗦𝗜𝗢𝗡𝗔𝗟𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗜𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗩𝗔𝗢

𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 23 𝙛𝙚𝙗𝙧𝙤𝙖𝙧𝙮 2026 – 𝘕𝘪𝘴𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺, 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘌𝘍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘝𝘢𝘰 𝘯𝘢 𝘯𝘺 « 𝘊𝘰𝘯𝘤𝘰𝘶𝘳𝘴 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘥’𝘐𝘯𝘯𝘰𝘷𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯” (𝘊𝘕𝘐). 𝘐𝘵𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘨𝘰𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘵𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘬𝘢𝘪𝘬𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘖𝘧𝘪𝘴𝘺 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘻𝘢𝘬𝘢𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 (𝘖𝘔𝘈𝘗𝘐) 𝘢𝘳𝘺 𝘩𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘪𝘱𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘮𝘣𝘰𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘬𝘢𝘳𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘳𝘢-𝘛𝘴𝘪𝘢𝘯𝘴𝘢.

✅ Araka ny nambaran’ny Talen’ny Kabinetran’ny MIDSP, RAKOTONDRAIBE Andry Haja, ny tanjona dia ny hanafoana ny elanelana misy eo amin’ny famoronana sy ny famokarana indostrialy sy ny hampiakarana ny lanjan’ny indostria ho 30% ny PIB amin’ny taona 2040.

✅ Lohahevitra telo lehibe no hifaninanana : ny angovo, ny fanodinana ny vokatra sy ny fambolena ary ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana ary mason-tsivana amin’izany ny fijery vaovao ara-pikarohana azo avadika ho tetik’asa indsotrialy mahavelona sy maharitra.

✅ Ny tale jeneralin’ny OMAPI, RAFANOTSIMIVA Naharisoa Oby moa nanamafy fa misy teboka efatra lehibe no tsara ho fantara :

👉Ireo sehatra hifaninana: Mifantoka amin’ny sehatra stratejika telo : ny Angovo, ny « Agro-alimentaire”, ary ny Fanodinana ny vokatra eto an-toerana.

👉Iza no afaka mandray anjara? Misokatra ho an’ny rehetra manerana ny faritra 24 ny fifaninanana. Tsy anavahana na mpianatra, na mpianatra mpikaroka, na mpikaroka, na mpanao asa tanana, ireo “Startup”, na orinasa madinika sy salantsalany (PME).

👉Ny fanohanana omena: Tsy fifaninanana fotsiny izy ity fa misy fampianarana sy fanohanana amin’ny fiarovana ny voka-pikarohana eo anivon’ny OMAPI mba hananany lanja ara-barotra.

👉Ny lohahevitra: « Ny fahitana vao, fanoitry ny fanarenana ny indostria. »

✅ Ity hetsika ity dia dingana lehibe amin’ny fampifandraisana ny fikarohana ara-tsiansa sy ny tontolon’ny fandraharahana mba hampandrosoana an’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...