Fandraharahan’ny vehivavy

𝟭𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗘𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 (𝗚𝗙𝗘𝗠)
𝙄𝙫𝙖𝙩𝙤, 𝙛𝙖𝙝𝙖 05 𝙢𝙖𝙧𝙩𝙨𝙖 2026 – 𝘕𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘦𝘩𝘪𝘷𝘢𝘷𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘳𝘦𝘴𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘪𝘵𝘰𝘷𝘪𝘢𝘯-𝘫𝘰 𝘧𝘰𝘵𝘴𝘪𝘯𝘺 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢 𝘬𝘰𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.
“Noporofoin’ireo vehivavy mpandraharaha tao anatin’izay folo taona izay fa ny vehivavy mpandraharaha dia hery ho an’ny toe-karen’i Madagasikara.” Io no anisan’ny tenin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RASOARAHONA Andriniaina nandritry ny fanokafana ny faha-10 taona nijoroan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) tetsy amin’ny Terminal Ravinala Airports Ivato.
Nanamarika ny fankalazana ny fanolorana mari-pankasitrahana vehivavy mpandraharaha 30 sokajiana mendrika. Ny 10 tao anatin’ny sokajy « vehivavy miavaka », ny 20 sokajy « vehivavy fakan-tahaka ». “Izy 30 ireo dia misolo tena ireo vehivavy rehetra mpandraharaha” hoy ny Minisitra.
Ny Governemanta ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara moa amin’ny alalan’ny MIDSP dia manohana tanteraka ny fampandrosoana entin’ny fandraharahan’ny vehivavy, hoy hatrany ny Minisitra.
Marihina fa ny MIDSP dia mpiahy ny hetsika. Misy moa ny fampirantiana ireo vehivavy mpandraharaha mpikambana mendrika ataon’ny GFEM etsy amin’ny “Terminal Ravinala Airports Ivato” ihany izay aharitra 1 volana.
