Famindram-pitantanana

𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆, 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟮𝟲 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 – 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗).

✅Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny minisitra teo aloha RASOARAHONA Andriniaina dia nanao tatitra fohy mikasika ireo asa vita sy ny ezaka natao nandritra ny fotoana nitantanany.

Nisaotra manokana ireo mpiara-miasa rehetra teo anivon’ny MIDSP izy tamin’ny fiaraha-mientana sy ny fanoloran-tena.

✅Nomarihiny fa laharam-pahamehana napetraka ny famerenana ny fifampitokisana teo amin’ny Sehatra Tsy Miankina sy ny Fanjakana mba ho antoky ny fampandrosoana maharitra.

✅Ny Minisitra vaovao kosa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia naneho ny fahavononany hanohy ireo asa efa natomboka. Nambarany fa ny tanjony dia ny hanamafy ny ezaka efa natao sy hitondra fanavaozana, ka hoy izy hoe : “tsy tonga handrava akory fa hanohy ireo ezaka efa napetraka ho fampiroboroboana ny Indostria sy ny Sehatra Tsy Miankina”.

Vous aimerez aussi...