CEO Summit Indian Ocean

SUMMIT

Fomba fijery vaovao sy hoavy vaovao

📍𝘼𝙡𝙖𝙧𝙤𝙗𝙞𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖-03 𝙖𝙥𝙧𝙞𝙡𝙮 2026- 𝘔𝘪𝘩𝘰𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 650 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯’𝘯𝘺 21 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘪 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢, 𝘌𝘰𝘳𝘰𝘱𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘈𝘻𝘪𝘢 𝘯𝘰 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘌𝘖 𝘚𝘶𝘮𝘮𝘪𝘵 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘯𝘺 09 𝘴𝘺 10 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026.

📌Ny CEO SUMMIT INDIAN OCEAN, hetsika manana laza iraisam-pirenena, dia hanasongadina ny fampivoarana ny hai-vao, ny fifampizarana hevitra ary ny fanolorana vahaolana mivaingana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena. Mpandray anjara fitenenana iraisam-pirenena mihoatra ny 100, mandritra ny famelabelaran-kevitra no hisongadina etsy amin’ny Novotel Alarobia ao anatin’ ny roa andro misesy. Ny adihevitra dia hifantoka aminny tontolon’ny fandraharahana, ny indostria ary ny sehatra ara-bola.

Nisy valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety moa androany tetsy amin’ny Novotel Alarobia nifampizarana ny fandrosoan’ny fikarakarana sy ny fandaharam-potoana mandritra ny hetsika.

✅Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), izay isan’ireo minisitera mpanohana, dia manamafy hatrany ny fanoloran-tenany amin’ny fanohanana tanteraka ny fahombiazan’ity CEO SUMMIT INDIAN OCEAN andiany faharoa ity.

Vous aimerez aussi...