Eo ambany fitarihan’ny MIDSP, ny metrolojia indostrialy dia lasa andry lehibe amin’ny fahaleovantena ara-toekarena

📍𝘝𝘪𝘦𝘯𝘯𝘦, 𝘧𝘢𝘩𝘢 29 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 – 𝘌𝘯𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘷𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘻𝘢𝘷𝘢 𝘴𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖, 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘢𝘩𝘢𝘷𝘪𝘵𝘢 𝘥𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘢𝘰 𝘝𝘪𝘦𝘯𝘯𝘦 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘧𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘦𝘵𝘳𝘰𝘭𝘰𝘫𝘪𝘢 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢𝘭𝘺, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘦𝘧𝘢 𝘯𝘢𝘱𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘮𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺.

✅Efa natomboka telo taona lasa izay niaraka tamin’ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana Indostrialy (ONUDI), ny fifanakalozan-kevitra momba ny metrolojia indostrialy dia mahita fandrosoana lehibe ankehitriny. Maneho ny finiavan’ny Governemanta hanome an’i Madagasikara fototra ara-teknika matanjaka hanohanana ny indostria.

📌Ny kalitaon’ny famokarana dia miseho ho ivon’ny fanovàna ara-toekarena. Ny metrolojia indostrialy, izay fitaovana fototra miantoka ny fahamarinan’ny fandrefesana sy ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena, dia antenaina fa handray anjara lehibe amin’ny fanatsarana ny fahaiza-mifaninana hananan’ireo orinasa malagasy ary ihany koa ny fidirany eo amin’ny tsena.

✅Ao anatin’ity hetsika ity, nisy fivoriana niarahana tamin’ireo manampahaizana avy amin’ny ONUDI, Andriamatoa Bernard BAU, lehiben’ny Sampana misahana ny fifaninanana ho an’ny PME, ny kalitao ary ny famoronana asa, ary Andriamatoa Florian P. IWINJAK, tompon’andraikitra amin’ny fifandraisana ivelany. Ireo fifanakalozana avo lenta ireo dia nahafahana nanamafy ny fototra iorenan’ny rafitra nasionaly hapetraka momba ny metrolojia.

📌Zava-dehibe iray mampiavaka ity fiaraha-miasa ity ny fahazoana famatsiam-bola avy amin’ny ONUDI hanohanana ny fampandrosoana ny metrolojia indostrialy eto Madagasikara. Ity rafitra ity dia manaporofo ny fahatokisana ny vina entin’ny Minisitra ary manokatra làlana ho amin’ny fanovàna maharitra ny seha-pamokarana nasionaly.

✅Amin’ny alalan’ity hetsika ity, ny MIDSP dia manamafy ny fironana mazava mankany amin’ny fahatsarana ny kalitao , amin’ny fametrahana ny fenitra ho ivon’ny politika indostrialy. Ity ezaka ity dia mifanaraka tanteraka amin’ny fanavaozana, mikendry ny hananganana toekarena afaka hifaninana, mahaleo tena ary manan-danja.

📌Amin’ny fanamafisana ireo fototra ara-teknika iorenan’ny indostria, i Madagasikara dia mandefa hafatra mazava: firenena vonona hitrandraka ny herijika hananany, eo ambany fitarihana feno fanoloran-tena sy fitantanana mifantoka amin’ny vokatra.

Vous aimerez aussi...